<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>S. Razafinrazka</author>
<hymn_number>442</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Endre ! ity fahotana,
 Mamely ao am-po,
 O! ady mampahana,
 Ka mafy ny manjo ;
 // Vonjeo, ry Mpiantra !
 Izaho zanakao,
 Fa tery sy mahantra
 Miady lava izao //

[V2]
 Ry Antoky ny aiko !
 Izay mahafatra-po,
 Ry Toky antenaiko !
 Izay tanjaky ny fo ;
 Ny tena sy fanahy
 Apetraka Aminao,
 Ka ataovy lehilahy
 Mpandresy toa Anao.

[V3]
 Izaho no Mpamonjy,
 Ka matokia tokoa,
 Izaho mahavonjy
 Koa antenao ny soa ;
 Ny sandriko mahery
 No iankinanao,
 Hianao dia tsy ho very,
 Minoa hianao.

[V4]
 Ry Tompo manan-kery !
 Ny fitiavanao
 Fitia feno hery,
 Ka raisiko izao ;
 Ny dera aman-daza
 No mendrika ho Anao
 Ny foko hankalaza,
 Ny voninahitrao.</lyrics>
<title>Endrey! 'ty fahotana FFPM442</title>
</song>